samedi 31 janvier 2009

Le Vérité 31/01/09 Tranom - paty Hjra - Razana 28 alevina eny Anjanahary

Tranom - paty Hjra - Razana 28 alevina eny Anjanahary
Samedi, 31 Janvier 2009 00:00 Willys Fanomezantsoa

Feno razana ny tranom-paty ao amin’ny hopitaly Hjra nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo. Tomefy olona eny an-toerana nitady ny fianakaviany tsy hita. Misy tamin’izy ireny no niala nenina tamin’izany.
Misy amin’ireo faty ao no tsy misy ahafantarana azy intsony fa kila toy ny arina.Faty tsy misy mpaka 28 isa no tsy maintsy alevin’ny kaomina eny Anjanahary anio. Araka ny fantatra mantsy, dia 48 ora ihany no azo itazonana azy ireo noho ny hamaroany, eo ihany koa ny fahasimbany ka tsy azo tehirizina intsony. Raha ny tokony ho izy, dia maharitra herinandro ny fitehirizana azy ireo vao alevin’ny kaomina. Efitra roa no nisy ireo razana ireo ka ireo may tao amin’ny “Trading Center” ny alin’ny alatsinainy teo no betsaka indrindra, satria nahatratra 32. Tsy maharaka an’izany anefa ny vata fitehirizana faty, ka nandraisana izao fanapahan-kevitra izao. Misy amin’ireo faty no efa potika tanteraka tsy misy ahafantarana azy intsony. Nahatratra 43 ireo razana nitoby tao amin’ny tranom-patin’ny Hjra nanomboka ny fihetsiketsehana ara-politika niseho teto an-dRenivohitra. Nandritra izay efatra andro izay, dia ny 15 ihany no nalain’ny fianakaviana hatramin’ny omaly tamin’ny iray ora antoandro.Maro ireo namoy ny ainy
Tsy mbola nisy tranga nahatsiravina sy mampalahelo toy izao teto amintsika raha tsy tamin’ity indray mitoraka ity. Tafakatra 102 ireo olona namoy aina tao anatin’io telo andro io, nanerana ny Nosy. Malaza ho tany milamina sy manana ny fahendrena raha isika Malagasy, nefa dia mitovy ny atsy Afrika ihany raha ny kisarin’ireo maty no jerena. Raha tsiahivinany nahafaty azy ireo, dia noho ny tifi-danitra nataon’ny mpitandro filaminana. Nisy ny maty voatsindrin’ny gony teo am-pangalarana entana teny amin’ny “Magro” Tanjombato, ary ireo main’ny afo tao amin’ny tranombarotra “Trading Center” Analakely. Raha ny fahitana azy aloha, dia nisy ny tena jiolahy mpandroba tamin’ireo. Nisy koa ny voakarama, teo ihany koa ny azon’ny fakam-panahy noho ny fidanadanan’ny varavarana sy noho ny tsy fisiana. Hita taratra amin’izany fa mbola miaina ao anatin’ny fahantrana ny Malagasy.
Willys Fanomezantsoa

Aucun commentaire: